Psalms 4

Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. 3Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.] 4Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy
Na: fa efa nomen’ i Jehovah voninahitra ny olo-masiny.
; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
5Tezera
Na: Mangovita.
, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.]
6Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah. 7Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô. 8Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony. 9Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
Copyright information for Mg1865